2 Samuel 15:36 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indreo, any aminy ny zanany roa lahy, dia i Ahimaza, zanak’i Zadoka sy i Jonatana, zanak’i Abiatara; izy ireo no asainareo mitatitra atỳ amiko izay rehetra renareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ao amin’izy ireo ny zanany roa lahy dia i Akimaasa zanak’i Sadôka sy i Jônatasy zanak’i Abiatara, ka ireo no hampandrenesanareo ahy izay rehetra ho renareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eo anilan’izy ireo any koa ireo zanany roa lahy, dia i Ahimahatsa zanakalahin’i Tsadôka sy i Jônatàna zanakalahin’i Abiatara; izy roa lahy ireto no hampitanareo amiko izay rehetra renareo.
Malagasy Bible 1865
Indreo, any aminy ny zanany roa lahy, dia Ahimaza, zanak'i Zadoka, sy Jonatana, zanak'i Abiatara; ary izy no hampitondrainareo izay rehetra renareo ho atỳ amiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indreo, any aminy ny zanany roa lahy, dia i Ahimaza, zanak’i Zadoka sy i Jonatana, zanak’i Abiatara; izy ireo no asainareo mitatitra atỳ amiko izay rehetra renareo.
malagasy
Indreo, any aminy ny zanany roa lahy, dia Ahimaza, zanak'i Zadoka, sy Jonatana, zanak'i Abiatara; ary izy no hampitondrainareo izay rehetra renareo ho atỳ amiko.Koa dia tonga tany an-tanàna Hosay, sakaizan'i Davida, tamin'ny nahatongavan'i Absaloma tany Jerosalema.