2 Samuel 15:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy koa i Absaloma: Enga anie ka izaho no ho voatendry ho mpitsara amin’ny tany, ary ho avy atỳ amiko ny olona rehetra izay manana ady sy teny hotsaraina, dia homeko rariny izy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nanampy indray i Absalôma nanao hoe: «Iza re no hanangana ahy ho mpitsara amin’ny tany? Fa na iza na iza manana ady aman-draharaha dia ho tonga atỳ amiko ka homeko ny rariny avokoa.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy koa i Absalôma: –Raha izaho manko no mba voatendry ho mpitsara amin’ity tany ity, dia hankatỳ amiko avokoa ny olona rehetra manana ady sy raharaha hotsaraina, ka hotsaraiko ara-drariny.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy koa Absaloma: Enga anie ka izaho no voatendry ho mpitsara amin'ny tany, ary ho avy atỳ amiko ny olona rehetra izay manana ady sy teny hotsaraina, dia homeko rariny izy!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy koa i Absaloma: Enga anie ka izaho no ho voatendry ho mpitsara amin’ny tany, ary ho avy atỳ amiko ny olona rehetra izay manana ady sy teny hotsaraina, dia homeko rariny izy!
malagasy
Ary hoy koa Absaloma: Enga anie ka izaho no voatendry ho mpitsara amin'ny tany, ary ho avy atỳ amiko ny olona rehetra izay manana ady sy teny hotsaraina, dia homeko rariny izy!