2 Samuel 16:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha vao nihilana kely avy teo an-tampon’ny tendrombohitra i Davida dia indro, nitsena azy i Ziba mpanompon’i Mefiboseta, mitondra boriky roa voaisy lasely sady nampitondraina mofo roanjato sy voaloboka maina zato sampaho sy voankazo masaka fahavaratra zato ary divay iray siny hoditra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vao tafahoatra kely ny tampony i Davida dia inty i Sibà mpanompon’i Mifibôseta tonga nitsena azy, nitondra ampondra roa voaisy lasely, ka nibaby mofo roan-jato, ampempam-boaloboka maina zato, voankazo masaka zato, ary divay iray siny hoditra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha vao nihoatra ny tampon-tendrombohitra i Davida, dia tonga nitsena azy i Tsibà mpanompon’i Mefibôseta, mitarika boriky roa voaisy lasely sady novesarana mofo roanjato sy voaloboka maina zato sampaho ary koa voankazo masaka iray harona sy divay eran’ny siny hoditra.
Malagasy Bible 1865
Ary nony vao nihilana kely avy teo an-tampon'ny tendrombohitra Davida, indro, Ziba, mpanompon'i Mefiboseta, nitsena azy mitondra boriky roa voaisy lasely sady ampitondraina mofo roan-jato sy voaloboka maina zato sampaho sy voankazo masaka fahavaratra zato ary divay iray tavoara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha vao nihilana kely avy teo an-tampon’ny tendrombohitra i Davida dia indro, nitsena azy i Ziba mpanompon’i Mefiboseta, mitondra boriky roa voaisy lasely sady nampitondraina mofo roanjato sy voaloboka maina zato sampaho sy voankazo masaka fahavaratra zato ary divay iray siny hoditra.
malagasy
[] Ary nony vao nihilana kely avy teo an-tampon'ny tendrombohitra Davida, indro, Ziba, mpanompon'i Mefiboseta, nitsena azy mitondra boriky roa voaisy lasely sady ampitondraina mofo roan-jato sy voaloboka maina zato sampaho sy voankazo masaka fahavaratra zato ary divay iray tavoara.[Na: siny hoditra]