2 Samuel 16:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony nandeha teny an-dalana i Davida sy ny olony dia nandeha tamin’ny ilan’ny havoana tandrifiny kosa i Simey ka nanozona teny am-pandehanana sady nitora-bato nanandrify azy ary namafy vovoka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Davida sy ny olony nanohy ny diany, fa i Semeià kosa nandeha tamin’ny kisolosolon’ny tendrombohitra akaikin’i Davida sady tsy nitsahatra ny nanozona azy, sy nitora-bato ary namafy vovoka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha mbola nanohy ny diany i Davida sy ny olony, dia nandroso tsy lavitra azy ireo tamin’ny tehezan-tendrombohitra kosa i Simehỳ, sady mbola nanozona sy nitora-bato ary namafy vovoka.
Malagasy Bible 1865
Ary nony nandeha teny an-dalana Davida sy ny olony, dia nandeha tamin'ny ilan'ny havoana tandrifiny kosa Simey ka nanozona teny ampandehanana sady nitora-bato nanandrify azy sy namafy vovoka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony nandeha teny an-dalana i Davida sy ny olony dia nandeha tamin’ny ilan’ny havoana tandrifiny kosa i Simey ka nanozona teny am-pandehanana sady nitora-bato nanandrify azy ary namafy vovoka.
malagasy
Ary nony nandeha teny an-dalana Davida sy ny olony, dia nandeha tamin'ny ilan'ny havoana tandrifiny kosa Simey ka nanozona teny ampandehanana sady nitora-bato nanandrify azy sy namafy vovoka.