2 Samuel 16:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Hosay tamin’i Absaloma: Tsia, fa izay nofidin’NY TOMPO sy ireto vahoaka ireto mbamin’ny lehilahin’ny Israely, izy no hombako sady ao aminy no hitoerako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Kosaia tamin’i Absalôma: «Tsia fa ilay nofidin’i Iaveh sy ny vahoaka rehetra, mbamin’ny lehilahy rehetra amin’i Israely no tiako hombana, ka dia ny hitoetra aminy no tiako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Hosay tamin’i Absalôma: –Tsy niaraka taminy aho, satria ny tiako hiarahana dia ianao ilay nofidin’ny TOMPO sy nofidin’ireto vahoaka ireto izany hoe ny Israelita isan-karazany; ka ao aminao no hitoerako.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Hosay tamin'i Absaloma: Tsia, fa izay nofidin'i Jehovah sa ireto vahoaka ireto mbamin'ny lehilahy amin'ny Isiraely, dia izy no hombako, sady ao aminy no hitoerako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Hosay tamin’i Absaloma: Tsia, fa izay nofidin’NY TOMPO sy ireto vahoaka ireto mbamin’ny lehilahin’ny Israely, izy no hombako sady ao aminy no hitoerako.
malagasy
Ary hoy Hosay tamin'i Absaloma: Tsia, fa izay nofidin'i Jehovah sa ireto vahoaka ireto mbamin'ny lehilahy amin'ny Isiraely, dia izy no hombako, sady ao aminy no hitoerako.