2 Samuel 16:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy ny mpanjaka tamin’i Ziba: Ahoana no hevitrao amin’ireto? Dia hoy i Ziba: Ny boriky dia ho an’ny ankohonan’ny mpanjaka mba hitaingenany, ny mofo sy ny voankazo masaka fahavaratra dia hohanin’ny zatovo, ary ny divay kosa dia hosotroin’izay reraka any an-tany efitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Davida tamin’i Sibà: «Ny ampondra ho an’ny ankohonan’ny mpanjaka, hitaingenany, ny mofo amam-boankazo hihinanan’ny zatovo, ary ny divay hisotroan’izay reraka any an’efitra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy ny mpanjaka tamin’i Tsibà: –Hataonao inona ireo? Dia hoy ny navalin’i Tsibà: –Ny boriky, ry andriamanjaka, dia hitaingenan’ny ankohonanao; ny mofo sy ny voankazo hohanin’ireo miaramilanao; ny divay kosa hosotroin’izay reraka any an-taniefitra.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Ziba: Ahoana no hevitrao amin'ireto? Dia hoy Ziba: Ny boriky dia ho an'ny ankohonan'ny mpanjaka itaingenany; ary ny mofo sy ny voankazo masaka fahavaratra hohanin'ny zatovo; ary ny divay hosotroin'izay reraka any an-efitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy ny mpanjaka tamin’i Ziba: Ahoana no hevitrao amin’ireto? Dia hoy i Ziba: Ny boriky dia ho an’ny ankohonan’ny mpanjaka mba hitaingenany, ny mofo sy ny voankazo masaka fahavaratra dia hohanin’ny zatovo, ary ny divay kosa dia hosotroin’izay reraka any an-tany efitra.
malagasy