2 Samuel 16:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Ahitofela tamin’i Absaloma: Midira ao amin’ny vady tsindranon’ny rainao, izay nampiandrasiny trano; dia ho ren’ny Israely rehetra fa efa nanamaimbo tena eo anatrehan-drainao ianao ka hahery ny tanan’izay rehetra momba anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Akitôfela tamin’i Absalôma: «Mandehana amin’ny vaditsindrano navelan-drainao hiandry trano, dia ho hitan’i Israely rehetra amin’izany fa manao izay hahatafintohina an-drainao aminao ianao, ka dia hihamahery ny tanan’izay rehetra momba anao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy kosa i Ahitôfela tamin’i Absalôma: –Mandehana mandry amin’ny vadikelin-drainao izay nasainy niandry ny trano. Ho fantatry ny Israelita rehetra fa nanao izay nahafa-baràka an-drainao ianao, ka dia hahery ny tanan’izay rehetra mpomba anao.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Ahitofela tamin'i Absaloma: Midira ao amin'ny vaditsindranon-drainao, izay nampiandrasiny trano; dia ho ren'ny Isiraely rehetra fa efa nanamaimbo tena eo anatrehan-drainao ianao, ka dia hahery ny tànan'izay rehetra momba anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Ahitofela tamin’i Absaloma: Midira ao amin’ny vady tsindranon’ny rainao, izay nampiandrasiny trano; dia ho ren’ny Israely rehetra fa efa nanamaimbo tena eo anatrehan-drainao ianao ka hahery ny tanan’izay rehetra momba anao.
malagasy