2 Samuel 16:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanorina tranolay ho an’i Absaloma teo an- tampon-trano ny olona; ary niditra tao amin’ny vady tsindranon’ny rainy teo imason’ny Israely rehetra i Absaloma.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanangan-day teo ambonin’ny tafon-trano i Absalôma ka nandeha tamin’ny vaditsindranon-drainy, teo imason’i Israely rehetra, i Absalôma.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nananganan’ny olona lay teo an-tampon-trano i Absalôma, ka nandry tamin’ny vadikelin-drainy tao teo imason’ny Israelita rehetra izy.
Malagasy Bible 1865
Ary dia nanorin-day ho an'i Absaloma teo an-tampon-trano ny olona; ary Absaloma niditra tao amin'ny vaditsindranon-drainy teo imason'ny Isiraely rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanorina tranolay ho an’i Absaloma teo an- tampon-trano* ny olona; ary niditra tao amin’ny vady tsindranon’ny rainy teo imason’ny Israely rehetra i Absaloma.
malagasy
Ary dia nanorin-day ho an'i Absaloma teo an-tampon-trano ny olona; ary Absaloma niditra tao amin'ny vaditsindranon-drainy teo imason'ny Isiraely rehetra.Ary ny hevitr'i Ahitofela izay nataony tamin'izany dia hoatra ny manontany amin'Andriamanitra; toy izany avokoa ny hevitra rehetra nataon'i Ahitofela, na tamin'i Davida, na tamin'i Absaloma.