2 Samuel 16:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany fotoana izany, ny tolo-tsaina rehetra avy tamin’i Ahitofela dia noraisina ho toy ny avy amin’Andriamanitra mihitsy, ary na i Davida na i Absaloma dia samy nandray azy ho toy izany koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy ny teny avy amin’Andriamanitra ho an’izay manontany Azy, ny hevitra nomen’i Akitôfela tamin’izay, ary ny hevitra nomeny rehetra na tamin’i Davida, na tamin’i Absalôma dia toy izany koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay ny torohevitr’i Ahitôfela dia natao ho tahaka ny tenin’Andriamanitra; ary toy izany avokoa ny torohevitra nataony na tamin’i Davida na tamin’i Absalôma.
Malagasy Bible 1865
Ary ny hevitr'i Ahitofela izay nataony tamin'izany dia hoatra ny manontany amin'Andriamanitra; toy izany avokoa ny hevitra rehetra nataon'i Ahitofela, na tamin'i Davida, na tamin'i Absaloma.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany fotoana izany, ny tolo-tsaina rehetra avy tamin’i Ahitofela dia noraisina ho toy ny avy amin’Andriamanitra mihitsy, ary na i Davida na i Absaloma dia samy nandray azy ho toy izany koa.
malagasy
Ary ny hevitr'i Ahitofela izay nataony tamin'izany dia hoatra ny manontany amin'Andriamanitra; toy izany avokoa ny hevitra rehetra nataon'i Ahitofela, na tamin'i Davida, na tamin'i Absaloma.