2 Samuel 16:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy ny mpanjaka: Aiza ny zanakalahin’ny tomponao? Hoy i Ziba tamin’ny mpanjaka: Indro, mitoetra any Jerosalema izy; fa hoy izy: Anio no hampodian’ny taranak’Israely ny fanjakan’Ikaky ho ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy ny mpanjaka: «Fa aiza ny zanaky ny tomponareo?» Ary hoy ny navalin’i Sibà tamin’ny mpanjaka: «Indro fa nijanona any Jerosalema izy», fa hoy izy: «Hampodin’ny taranak’i Israely amiko izao ny fanjakan’ikaky.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nanontany azy indray ny mpanjaka hoe: –Fa mba aiza i Mefibôseta, zafin’i Saoly tomponao? Dia hoy ny navalin’i Tsibà ny mpanjaka: –Nijanona any Jerosalema izy, satria noheveriny fa ankehitriny no hampodian’ny Israelita ny fanjakan-draibeny aminy.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy ny mpanjaka: Aiza ny zanakalahin'ny tomponao? Ary hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Indro, mitoetra any Jerosalema izy; fa hoy izy: Anio no hampodian'ny taranak'Isiraely ny fanjakan'ikaky ho ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy ny mpanjaka: Aiza ny zanakalahin’ny tomponao? Hoy i Ziba tamin’ny mpanjaka: Indro, mitoetra any Jerosalema izy; fa hoy izy: Anio no hampodian’ny taranak’Israely ny fanjakan’Ikaky ho ahy.
malagasy
Dia hoy ny mpanjaka: Aiza ny zanakalahin'ny tomponao? Ary hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Indro, mitoetra any Jerosalema izy; fa hoy izy: Anio no hampodian'ny taranak'Isiraely ny fanjakan'ikaky ho ahy.