2 Samuel 16:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nataon’NY TOMPO manody anao izao ny ran’ny taranak’i Saoly, ilay nodimbiasanao fanjakana; NY TOMPO kosa nanome ny fanjakana ho eo an-tanan’i Absaloma zanakao; ary indro, efa idiran-doza ianao izao, satria mpandatsa-dra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro natsingerin’i Iaveh aminao ny ran’ireo tamingan’i Saola rehetra izay nosoloanao toerana mba ho mpanjaka; natolony ho eo an-tanan’i Absalôma zanakao ny fanjakana ka indro fa hidiran-doza ianao izao, satria lehilahy mandatsa-dra ianao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Havalin’ny TOMPO aminao anie ny namonoanao ho faty ny taranak’i Saoly! Nangalarinao ny fanjakan’i Saoly ka natolotry ny TOMPO ho eo an-tanan’i Absalôma zanakalahinao; ary indro fa idiran-doza izao ianao satria lehilahy mpandatsa-dra.
Malagasy Bible 1865
Nataon'i Jehovah manody anao izao ny ran'ny tamingan'i Saoly, ilay nodimbiasanao fanjakana; ary Jehovah nanome ny fanjakana ho eo an-tànan'i Absaloma zanakao kosa; ary indro, efa idiran-doza izao ianao, satria mpandatsa-drà.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nataon’NY TOMPO manody anao izao ny ran’ny taranak’i Saoly, ilay nodimbiasanao fanjakana; NY TOMPO kosa nanome ny fanjakana ho eo an-tanan’i Absaloma zanakao; ary indro, efa idiran-doza ianao izao, satria mpandatsa-dra.
malagasy