2 Samuel 17:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary na dia izay mahery ka manana fo tahaka ny fon’ny liona aza dia ho ketraka tokoa; satria fantatry ny Israely rehetra fa lehilahy mahery rainao, sady lehilahy mahery koa ireny manaraka azy ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary amin’izay dia ho rera-po na izay mahery indrindra aza, na dia manana fo tahaka ny fon-diona aza izy, satria fantatr’i Israely rehetra fa irainao, lehilahy mahery fo indrindra, ny olona manaraka azy koa lehilahy mahery.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa na dia izay be herimpo indrindra toy ny liona aza dia hivalaketraka, satria fantatry ny Israelita rehetra fa kalaza ny rainao ary mahery fo ireo tafaraka aminy.
Malagasy Bible 1865
ary na dia izay mahery ka manana fo tahaka ny fon'ny liona aza dia ho ketraka tokoa; fa fantatry ny Isiraely rehetra fa lehilahy mahery rainao, sady lehilahy mahery koa ireny manaraka azy ireny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary na dia izay mahery ka manana fo tahaka ny fon’ny liona aza dia ho ketraka tokoa; satria fantatry ny Israely rehetra fa lehilahy mahery rainao, sady lehilahy mahery koa ireny manaraka azy ireny.
malagasy
ary na dia izay mahery ka manana fo tahaka ny fon'ny liona aza dia ho ketraka tokoa; fa fantatry ny Isiraely rehetra fa lehilahy mahery rainao, sady lehilahy mahery koa ireny manaraka azy ireny.