2 Samuel 17:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izao kosa no mba hevitro: Aoka hovorina ho eto aminao avokoa ny Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bery-Sheba fa toy ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, ary ny tenanao mihitsy no hiantafika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka izao kosa no hevitro: Aoka hivory eto aminao avokoa i Israely rehetra, hatrany Dana, ka hatrany Bersabea, izay maro toy ny fasika any amoron-dranomasina, dia ny tenanao mihitsy no handroso amin’ny ady.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao àry no mba torohevitro: Vorio eto aminao ny miaramila israelita rehetra, hatrany Dana ka hatrany Beera-Seba ka ho toy ny fasika amoron-dranomasina ny hamaroany; ary ny tenanao mihitsy no hiantafika miaraka aminy.
Malagasy Bible 1865
Koa izao kosa no mba hevitro: Aoka hovorina ho eto aminao avokoa ny Isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba, toy ny fasika amoron-dranomasina no hamarony; ka dia ny tenanao no hankany an-tafika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izao kosa no mba hevitro: Aoka hovorina ho eto aminao avokoa ny Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bery-Sheba fa toy ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, ary ny tenanao mihitsy no hiantafika.
malagasy