2 Samuel 17:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia ho tonga ao aminy amin’izay fitoerana iray hahitana azy isika ka hilatsaka aminy toy ny filatsaky ny ando amin’ny tany; dia tsy hasiantsika miangana na iray akory aza izy mbamin’izay olona rehetra manaraka azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa tsy maintsy azontsika iny, na aiza na aiza misy azy, sady ho toy ny filatsaky ny ando amin’ny tany no ho filatsaka aminy, ka tsy hisy havelantsika afaka, na izy na ny anankiray amin’ny olona rehetra ao aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho tonga any amin’izay itoeran’i Davida isika, ka hilatsaka aminy toy ny filatsaky ny ando amin’ny tany; ary tsy hasiantsika miangana na dia iray akory aza izy mbamin’ny olona rehetra tafaraka aminy.
Malagasy Bible 1865
Dia ho tonga ao aminy amin'izay fitoerana anankiray hahitana azy isika, ka dia hilatsaka aminy toy ny filatsaky ny ando amin'ny tany, ka tsy hasiantsika miangana na dia iray akory aza izy mbamin'izay olona rehetra manaraka azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia ho tonga ao aminy amin’izay fitoerana iray hahitana azy isika ka hilatsaka aminy toy ny filatsaky ny ando amin’ny tany; dia tsy hasiantsika miangana na iray akory aza izy mbamin’izay olona rehetra manaraka azy.
malagasy