2 Samuel 17:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha miditra an-tanàna izy dia hitondran’ny Israely rehetra mahazaka izany tanàna izany ka hotarihintsika ho any amin’ny ony ambara-paha tsy hisy na dia vato kely iray aza ho hita ao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Na hihataka ho any amin’ny tanàna anankiray aza izy, dia hitondran’i Israely rehetra mahazaka izany tanàna izany, ka hotarihintsika ho any amin’ny ranon-driaka mandra-pahafoanany tsy misy intsony na dia vato iray aza.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha mitsoaka mankamin’ny tanàna iray izy, dia hitondran’i Israely manontolo tady mahazaka izany tanàna izany, ka hotarihintsika hivarina any amin’ny ranon-driaka mandra-pahafoana azy tsy hisy vato kely iray hita ao intsony.
Malagasy Bible 1865
Fa raha miditra an-tanàna izy, dia hitondran'ny Isiraely rehetra mahazaka izany tanàna izany, ka dia hotarihintsika ho any amin'ny ony izany ambara-paha-tsy hisy na dia vato kely iray aza hita ao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha miditra an-tanàna izy dia hitondran’ny Israely rehetra mahazaka izany tanàna izany ka hotarihintsika ho any amin’ny ony ambara-paha tsy hisy na dia vato kely iray aza ho hita ao.
malagasy
Fa raha miditra an-tanàna izy, dia hitondran'ny Isiraely rehetra mahazaka izany tanàna izany, ka dia hotarihintsika ho any amin'ny ony izany ambara-paha-tsy hisy na dia vato kely iray aza hita ao.