2 Samuel 17:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Absaloma sy ny lehilahy rehetra amin’ny Israely: Tsara noho ny torohevitr’i Ahitofela ny torohevitr’i Hosay arkita. Fa efa notendren’NY TOMPO ny hahafoana ny sain-dalina nataon’i Ahitofela mba hampidiran’NY TOMPO loza amin’i Absaloma.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Absalôma sy ny lehilahy rehetra amin’i Israely: «Aleo ny hevitr’i Kosaia Arakita toy izay ny hevitr’i Akitôfela.» Fa efa notapahin’i Iaveh ny mampanjary ho tsinontsinona ny hevitra tsara nomen’i Akitôfela, mba hampidiran’i Iaveh loza amin’i Absalôma.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Absalôma sy ny lehilahy israelita rehetra hoe: –Tsara noho ny torohevitr’i Ahitôfela ny an’i Hosay, ilay Arkita! Efa nataon’ny TOMPO manko izay tsy hampahomby ny torohevitr’i Ahitôfela, na dia tsara aza, mba hampidirany loza amin’i Absalôma.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Absaloma sy ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely: Tsara noho ny hevitra nataon'i Ahitofela ny nataon'i Hosay Arkita. Fa efa notendren'i Jehovah ho foana ny sain-dalina nataon'i Ahitofela, hampidiran'i Jehovah loza amin'i Absaloma.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Absaloma sy ny lehilahy rehetra amin’ny Israely: Tsara noho ny torohevitr’i Ahitofela ny torohevitr’i Hosay arkita. Fa efa notendren’NY TOMPO ny hahafoana ny sain-dalina nataon’i Ahitofela mba hampidiran’NY TOMPO loza amin’i Absaloma.
malagasy