2 Samuel 17:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa maniraha olona haingana izao ary ambarao amin’i Davida hoe: Aza mitoetra any amin’ny tanetin’ny tany efitra anio alina fa mità haingana, fandrao ho levona na ny mpanjaka na ny olona rehetra miaraka aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa maniraha olona miaraka amin’izay hampandre an’i Davida ka asaovy lazainy aminy hoe: Aza mitoetra amin’ny tany lemaka any an’efitra anio alina, fa mità faingana fandrao azon’ny loza mafy indrindra na ny mpanjaka na ny vahoaka rehetra ao aminao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankehitriny, maniraha haingana hampandre an’i Davida; lazao izy tsy hijanona amin’ny lemak’i Jôrdàna rahalina fa mità faingana raha tsy te ho ringana na ny tenany na ireo olona rehetra tafaraka aminy.
Malagasy Bible 1865
Koa maniraha haingana izao, ary ambarao amin'i Davida hoe: Aza mitoetra any amin'ny fitàna any amin'ny efitra anio alina, fa mità faingana tokoa, fandrao ho levona na ny mpanjaka na ny olona rehetra any aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa maniraha olona haingana izao ary ambarao amin’i Davida hoe: Aza mitoetra any amin’ny tanetin’ny tany efitra anio alina fa mità haingana, fandrao ho levona na ny mpanjaka na ny olona rehetra miaraka aminy.
malagasy
Koa maniraha haingana izao, ary ambarao amin'i Davida hoe: Aza mitoetra any amin'ny fitàna any amin'ny efitra anio alina, fa mità faingana tokoa, fandrao ho levona na ny mpanjaka na ny olona rehetra any aminy.[Na: tani-hay]