2 Samuel 17:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy zatovo iray nahita azy ireo ka nanambara tamin’i Absaloma; nefa lasa haingana izy roa lahy ka tonga tao an-tranon’olona tao Bahorima izay nisy lavaka fantsakana teo an-tokotaniny; dia nidina tao izy roa lahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahatsikaritra azy ireo ny zazalahy anankiray, ka nilaza izany tamin’i Absalôma. Saingy nitsoaka faingana izy roa lahy, ka tonga tany Bahorima, amin’ny tranon’ity lehilahy anankiray, izay nisy lavaka fantsakana teo an-tokotaniny, dia nidina tao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa nisy tovolahy iray nahita azy roa lahy ireo ka nanambara tamin’i Absalôma; fa nandositra faingana izy roa lahy ary tonga tany Bahorima tao an-tranon’ny lehilahy iray, izay nisy lava-pantsakana teo an-tokotaniny. Dia nidina tao ireo.
Malagasy Bible 1865
Fa nisy zazalahy iray nahita azy ka nanambara tamin'i Absaloma; nefa lasa faingana izy roa lahy ka tonga tao an-tranon'olona tao Bahorima, izay nisy lavaka fantsakana tao an-tokotaniny, dia nidina tao izy roa lahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy zatovo iray nahita azy ireo ka nanambara tamin’i Absaloma; nefa lasa haingana izy roa lahy ka tonga tao an-tranon’olona tao Bahorima izay nisy lavaka fantsakana teo an-tokotaniny; dia nidina tao izy roa lahy.
malagasy