2 Samuel 17:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho tonga ao aminy aho amin’ilay izy mbola sasatra sy reraka iny; hotairiko izy ka handositra ny vahoaka rehetra izay any aminy fa ny mpanjaka ihany no hasiako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hirotsaka aminy tampoka aho, ilay mbola sasatra iny izy sy vizana ny tanany, dia hampivadi-po azy aho; ka ny vahoaka rehetra momba azy handositra, ary ny mpanjaka irery ihany no hasiako amin’izany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hotampohiko amin’ilay mbola sasatra sy reraka iny izy ka hampihorohoroiko. Handositra ny olona rehetra tafaraka taminy, ary ny mpanjaka irery no hovonoiko ho faty.
Malagasy Bible 1865
ary ho tonga ao aminy aho amin'ilay izy mbola sasatra sy reraka iny, ka dia hotairiko; dia handositra ny vahoaka rehetra izay any aminy, ary ny mpanjaka ihany no hasiako;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho tonga ao aminy aho amin’ilay izy mbola sasatra sy reraka iny; hotairiko izy ka handositra ny vahoaka rehetra izay any aminy fa ny mpanjaka ihany no hasiako.
malagasy
ary ho tonga ao aminy aho amin'ilay izy mbola sasatra sy reraka iny, ka dia hotairiko; dia handositra ny vahoaka rehetra izay any aminy, ary ny mpanjaka ihany no hasiako;