2 Samuel 17:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tonga tao amin-dRavehivavy tao an-trano ny mpanompon’i Absaloma dia niteny hoe: Aiza i Ahimaza sy i Jonatana teto? Fa hoy Ravehivavy taminy: Efa tafita ny renirano kely izy izay. Nony efa nitady izy ireo ka tsy nahita dia niverina nankany Jerosalema
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niditra tao amin-dravehivavy tao an-trano ny mpanompon’i Absalôma ka hoy izy hoe: «Aiza i Akimaasa sy i Jônatasy?» Fa hoy ravehivavy namaly azy: «Tafita ny renirano kely izy izay.» Dia nitady azy izy ireo, ka nony tsy nahita dia niverina nankany Jerosalema.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary niditra tao an-tranon’ilay ramatoa ny mpanompon’i Absalôma ka nanao hoe: –Aiza i Ahimahatsa sy i Jônatàna? Dia hoy ny navalin’ilay vehivavy taminy: –Nita ny rano izy ireo. Rehefa nitady ihany ireto mpanompon’i Absalôma ka tsy nahita, dia niverina nankany Jerosalema.
Malagasy Bible 1865
Ary nony tonga tao amin-dravehivavy tao an-trano ny mpanompon'i Absaloma, dia nanao hoe: Aiza Ahimaza sy Jonatana teto? Fa hoy ravehivavy taminy: Tafita ny renirano kely izy izay. Ary nony efa nitady azy ireo ka tsy nahita, dia niverina nankany Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tonga tao amin-dRavehivavy tao an-trano ny mpanompon’i Absaloma dia niteny hoe: Aiza i Ahimaza sy i Jonatana teto? Fa hoy Ravehivavy taminy: Efa tafita ny renirano kely izy izay. Nony efa nitady izy ireo ka tsy nahita dia niverina nankany Jerosalema
malagasy