2 Samuel 17:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa lasa ireo dia niakatra avy ao amin’ny lavaka fantsakana izy roa lahy ka lasa nandeha ary nanambara tamin’i Davida mpanjaka hoe: Miaingà ka mità haingana ny rano; fa izany no hevitra nataon’i Ahitofela hamelezana anareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa lasa izy ireo, dia niakatra avy eo an-davaka fantsakana kosa izy roa lahy, ka nandeha nampandre izany tamin’i Davida mpanjaka. Hoy izy ireo tamin’i Davida: «Mitsangàna ianareo, ka mità faingana ny ony, fa izao sy izao no hevitra nomen’i Akitôfela hamelezana anareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony lasa ireo, dia niakatra avy tao an-dava-pantsakana izy roa lahy ka lasa nanambara tamin’i Davida mpanjaka ny torohevitra nataon’i Ahitôfela hamelezana ny tenany sy ny mpomba azy, ary nilaza hoe: Miaingà, ka mità faingana ny rano.
Malagasy Bible 1865
Ary nony efa lasa ireo, dia niakatra avy ao amin'ny lavaka fantsakana izy roa lahy, ka lasa nandeha izy, dia nanambara tamin'i Davida mpanjaka hoe: Miaingà, ka mità faingana ny rano; fa izany no hevitra nataon'i Ahitofela hamelezana anareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa lasa ireo dia niakatra avy ao amin’ny lavaka fantsakana izy roa lahy ka lasa nandeha ary nanambara tamin’i Davida mpanjaka hoe: Miaingà ka mità haingana ny rano; fa izany no hevitra nataon’i Ahitofela hamelezana anareo.
malagasy