2 Samuel 17:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony hitan’i Ahitofela fa tsy narahina ny hevitra nataony dia nasiany lasely ny borikiny, ary niainga izy ka nody tany an-tranony tany an-tanànany; ary nanafatra ny ankohonany izy dia nananton-tena ka maty ary nalevina tao amin’ny fasan’ny rainy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony hitan’i Akitôfela fa tsy narahina ny heviny, dia nasiany lasely ny ampondrany ka niainga nandeha ho any amin’ny tany an-tanànany izy, ka nony efa nanafatra ny tao an-tranony dia nananton-tena ka maty izy, ary nalevina tao am-pasan-drainy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony hitan’i Ahitôfela fa tsy narahina ny heviny, dia nasiany lasely ny borikiny, ary lasa izy nody tany an-tanàna fonenany. Rehefa avy nanafatra ny ankohonany izy, dia nananton-tena ary maty ka nalevina tao amin’ny fasan-drainy.
Malagasy Bible 1865
Ary nony hitan'i Ahitofela fa narahina ny hevitra nataony, dia nasiany lasely ny borikiny, dia niainga izy dia nody tany an-tranony tany an-tanànany; ary nanafatra ny ankohonany izy, dia nanaton-tena, ka dia maty ary nalevina tao amin'ny fasan-drainy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony hitan’i Ahitofela fa tsy narahina ny hevitra nataony dia nasiany lasely ny borikiny, ary niainga izy ka nody tany an-tranony tany an-tanànany; ary nanafatra ny ankohonany izy dia nananton-tena ka maty ary nalevina tao amin’ny fasan’ny rainy.
malagasy