2 Samuel 17:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Amasa no notendren’i Absaloma ho komandin’ny miaramilany ho solon’i Joaba; i Amasa moa dia zanak’ilay Israelita antsoina hoe Jitira, ilay nandry tamin’i Abigaila, zanakavavin’i Nahasy sady rahavavin’i Zeroia, renin’i Joaba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Amasà no notendren’i Absalôma ho filohan’ny tafika solon’i Jôaba. I Amasà dia zanaky ny lehilahy anankiray atao hoe Jetrà, Ismaelita, izay nandeha tamin’i Abigaila, zanaka vavin’i Naasa, rahavavin’i Sarvià, renin’i Jôaba.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Notendren’i Absalôma ho lehiben’ny tafika hisolo an’i Jôaba i Hamasà. Io Hamasà io dia zanakalahin’ilay Israelita atao hoe Jitrà, ilay niray tamin’i Abigaîla zanakavavin’i Nahasy ary rahavavin’i Tseroià, renin’i Jôaba.
Malagasy Bible 1865
Ary Amasa no notendren'i Absaloma ho komandin'ny miaramilany ho solon'i Joaba; ary Amasa dia zanak'ilay Isiraelita atao hoe Jitra, ilay nandry tamin'i Abigaila, zanakavavin'i Nahasy sady rahavavin'i Zeroia, renin'i Joaba.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Amasa no notendren’i Absaloma ho komandin’ny miaramilany ho solon’i Joaba; i Amasa moa dia zanak’ilay Israelita antsoina hoe Jitira, ilay nandry tamin’i Abigaila, zanakavavin’i Nahasy sady rahavavin’i Zeroia, renin’i Joaba.
malagasy
Ary Amasa no notendren'i Absaloma ho komandin'ny miaramilany ho solon'i Joaba; ary Amasa dia zanak'ilay Isiraelita atao hoe Jitra, ilay nandry tamin'i Abigaila, zanakavavin'i Nahasy sady rahavavin'i Zeroia, renin'i Joaba.[Na: Ismaelita; izahao 1 Tan. ii. 17]