2 Samuel 17:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tonga teo amin’i Absaloma i Hosay dia hoy i Absaloma taminy: Izany no hevitr’i Ahitofela; koa hanatanteraka ny teniny va isika? Sa ahoana kosa no hevitrao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tonga teo amin’i Absalôma i Kosaia dia hoy i Absalôma taminy: «Izao sy izao no tenin’i Akitôfela, ka tokony ataontsika va izay nolazainy? Raha tsy hatao izany dia mitenena ianao izao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tonga teo amin’i Absalôma i Hosay, dia nilazany hoe: –Izao no notenenin’i Ahitôfela, ka harahintsika ve ny teniny? Raha tsy sitrakao izany, dia mitenena ianao.
Malagasy Bible 1865
Ary nony tonga teo amin'i Absaloma Hosay dia hoy Absaloma taminy: Izao no hevitr'i Ahitofela; ka hanao araka ny teniny va isika? Sa ahoana kosa no hevitrao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tonga teo amin’i Absaloma i Hosay dia hoy i Absaloma taminy: Izany no hevitr’i Ahitofela; koa hanatanteraka ny teniny va isika? Sa ahoana kosa no hevitrao?
malagasy
Ary nony tonga teo amin'i Absaloma Hosay dia hoy Absaloma taminy: Izao no hevitr'i Ahitofela; ka hanao araka ny teniny va isika? Sa ahoana kosa no hevitrao?