2 Samuel 17:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa indro, miery any amin’ny lavaka iray izy izao, na any amin’ny toeran-kafa ka raha misy resiny amin’ny voalohany, izay mandre izany dia hiteny hoe: Nahafatesana ny olona manaraka an’i Absaloma,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro fa miery izy ankehitriny any an-dava-driaka na any amin’ny fitoerana hafa any. Sady raha izao voalohany izao no misy lavony, dia ho ren’ny olona izany ka hataony hoe: Naharesy ny olona manaraka an’i Absalôma.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indro izy ankehitriny fa miery any an-davabato na any an-toeran-kafa any. Raha manomboka misy voa amintsika, izay mandre ny vaovao dia hanao hoe: Nahafatesana ny olona mpanaraka an’i Absalôma.
Malagasy Bible 1865
Fa, indro, miery any an-davaka anankiray izy izao, na ao amin'ny fitoerana hafa; ka raha misy resiny amin'ny voalohany, izay mandre izany dia hanao hoe: Nahafatesana ny olona manaraka an'i Absaloma,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa indro, miery any amin’ny lavaka iray izy izao, na any amin’ny toeran-kafa ka raha misy resiny amin’ny voalohany, izay mandre izany dia hiteny hoe: Nahafatesana ny olona manaraka an’i Absaloma,
malagasy
Fa, indro, miery any an-davaka anankiray izy izao, na ao amin'ny fitoerana hafa; ka raha misy resiny amin'ny voalohany, izay mandre izany dia hanao hoe: Nahafatesana ny olona manaraka an'i Absaloma,