2 Samuel 18:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Joaba tamin’ilay lehilahy nilaza taminy: Koa nahoana, raha nahita azy ianao, no tsy nasianao izy hianjera amin’ny tany? Tsy maintsy ho nomeko sekela volafotsy folo sy fehikibo ianao raha nanao izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Jôaba tamin-dralehilahy nilaza izany vaovao izany taminy: «Hitanao izy hoe ka no tsy nasianao hiankapoka terỳ? Dia tsy maintsy ho nomeko volafotsy folo sikla sy fehin-kibo iray ianao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Jôaba tamin’ilay mpilaza: –Hitanao izy, koa nahoana no tsy nasianao ho faty teo ihany? Ho nomeko sekela volafotsy folo sy fehikibo ianao.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Joaba tamin'ilay lehilahy nilaza taminy: Koa nahoana, raha nahita azy ianao, no tsy nasianao hianjera amin'ny tany izy, ka dia tsy maintsy ho nomeko sekely volafotsy folo sy fehin-kibo ianao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary hoy Joaba tamin'ilay lehilahy nilaza taminy: Koa nahoana, raha nahita azy ianao, no tsy nasianao hianjera amin'ny tany izy, ka dia tsy maintsy ho nomeko sekely volafotsy folo sy fehin-kibo ianao?