2 Samuel 18:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy Ralehilahy tamin’i Joaba: Na dia efa tonga eo an-tanako aza ny sekela volafotsy arivo dia tsy hanainga ny tanako hamely ny zanaky ny mpanjaka aho; fa teo anatrehanay no nandidian’ny mpanjaka anao sy i Abisay ary Itahy hoe: Samia mitandrina an’i Absaloma zatovo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy ny navalin-dralehilahy tamin’i Jôaba: «Tsia, tsy mba haninji-tanana amin’ny zanaky ny mpanjaka aho, na dia volafotsy lanjan’arivo sikla aza no ho mby eo an-tanako, satria samy nandre isika ny didy nomen’ny mpanjaka anao sy i Abiatara ary i Etaia hoe: Samia ianareo mitandrina tsy haninon-tsy haninona ny zatovo, Absalôma!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy ralehilahy tamin’i Jôaba: –Na dia homenao sekela volafotsy arivo aza aho, dia tsy haninji-tanana amin’io zanakalahin’ny mpanjaka io, satria ny sofintsika no samy nandre ny nandidian’ny mpanjaka anao sy i Abisay ary i Itàhy hoe: «Aoka mba tsy hisy hikasika an’i Absalôma.»
Malagasy Bible 1865
Fa hoy ralehilahy tamin'i Joaba: Na dia efa mby an-tanako aza ny sekely volafotsy arivo, tsy haninjitra ny tanako hamely ny zanaky ny mpanjaka aho; fa teo anatrehanay no nandidian'ny mpanjaka anao sy Abisay ary Itahy hoe: Samia mitandrina an'i Absaloma zatovo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy Ralehilahy tamin’i Joaba: Na dia efa tonga eo an-tanako aza ny sekela volafotsy arivo dia tsy hanainga ny tanako hamely ny zanaky ny mpanjaka aho; fa teo anatrehanay no nandidian’ny mpanjaka anao sy i Abisay ary Itahy hoe: Samia mitandrina an’i Absaloma zatovo.
malagasy