2 Samuel 18:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa raha nanao zavatra am-pitaka taminy hahavery ny aiko aza aho dia tsy misy zavatra azo afenina amin’ny mpanjaka; ary na ianao io aza dia ho nihatakataka tamiko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka raha namadika izany namono ny ainy aho, dia tsy misy miafina amin’ny mpanjaka akory, fa na dia ny tenanao aza hitsangana hanameloka ahy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa raha nivadika tamin’izany aho ka nahafaty azy, dia tsy misy miafina amin’ny mpanjaka; ary na dia ianao io aza dia hitsangana hiampanga ahy.
Malagasy Bible 1865
Tsy misy zavatra azo afenina amin'ny mpanjaka, koa raha nanao hafahafa taminy aho, na dia ianao io aza dia ho nitsangana hanameloka ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa raha nanao zavatra am-pitaka taminy hahavery ny aiko aza aho dia tsy misy zavatra azo afenina amin’ny mpanjaka; ary na ianao io aza dia ho nihatakataka tamiko.
malagasy
Tsy misy zavatra azo afenina amin'ny mpanjaka, koa raha nanao hafahafa taminy aho, na dia ianao io aza dia ho nitsangana hanameloka ahy.[Na: ho nahafoy ahy]