2 Samuel 18:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Joaba: Tsy handany andro foana eto aminao aho. Ary nitondra lefona telo teny an-tanany izy ka natsatony tamin’ny fon’i Absaloma, tamin’izy mbola velona teo amin’ny hazo terebinta iny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Jôaba: «Tsy te handany andro aminao aho.» Dia nataony an-tanana ny lefona telo, ka ilay mbola velona tao amin’ny hazo terebinta iny i Absalôma no notsatohany tamin’ny fony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa hoy i Jôaba hoe: –Tsy handany andro aminao eto aho! Dia noraisiny ny lefona telo ka natrobany ny fon’i Absalôma, raha ilay izy mbola velona ka nihantona tamin’ny terebinta iny.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Joaba: Tsy handany andro foana eto aminao aho. Ary nitondra lefona telo teny an-tanany Izy, ka natsatony tamin'ny fon'i Absaloma, raha mbola velona teo amin'ny hazo terebinta izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Joaba: Tsy handany andro foana eto aminao aho. Ary nitondra lefona telo teny an-tanany izy ka natsatony tamin’ny fon’i Absaloma, tamin’izy mbola velona teo amin’ny hazo terebinta iny.
malagasy
Dia hoy Joaba: Tsy handany andro foana eto aminao aho. Ary nitondra lefona telo teny an-tanany Izy, ka natsatony tamin'ny fon'i Absaloma, raha mbola velona teo amin'ny hazo terebinta izy.