2 Samuel 18:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitsoka ny anjomara i Joaba ka nitsahatra tsy nanenjika ny Israely intsony ny vahoaka, satria nandrara azy ireo i Joaba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Notsofin’i Jôaba ny anjomara, ka niverina avy amin’ny fanenjehana an’i Israely ny vahoaka fa nohazonin’i Jôaba ny vahoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Notsofin’i Jôaba ny anjomara, dia natsahatr’ireo miaramilan’i Davida ny fanenjehana ny Israelita satria efa nanakana azy i Jôaba.
Malagasy Bible 1865
Ary Joaba nitsoka ny anjomara, ka dia niverina avy nanenjika ny Isiraely ny vahoaka, satria niantran'i Joaba izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitsoka ny anjomara i Joaba ka nitsahatra tsy nanenjika ny Israely intsony ny vahoaka, satria nandrara azy ireo i Joaba.
malagasy
Ary Joaba nitsoka ny anjomara, ka dia niverina avy nanenjika ny Isiraely ny vahoaka, satria niantran'i Joaba izy.