2 Samuel 18:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nalain’ny olona i Absaloma ka natsipiny tao an-davaka lehibe iray tao anaty ala; dia nasiany antontam-bato lehibe teo amboniny; ary samy nandositra ho any amin’ny tranolainy avy ny Israely rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nalainy i Absalôma ka natsipiny tao anatin’ny lavaka lehibe, tao afovoan’ny ala, ary nasiany antontam-bato lehibe dia lehibe teo amboniny. Ary samy nandositra ho any an-dainy avy i Israely rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nalaina ny fatin’i Absalôma, ka natsipy tao anaty lavaka lehibe iray tany an’ala dia nasiana antontam-bato lehibe teo amboniny. Ary nandositra nody any an-tranony avokoa ny Israelita rehetra.
Malagasy Bible 1865
Dia nalain'ny olona Absaloma ka natsipiny tao an-davaka lehibe anankiray tao anaty ala, dia nasiany antontam-bato lehibe teo amboniny; ary ny Isiraely rehetra samy nandositra ho any amin'ny lainy avy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nalain’ny olona i Absaloma ka natsipiny tao an-davaka lehibe iray tao anaty ala; dia nasiany antontam-bato lehibe teo amboniny; ary samy nandositra ho any amin’ny tranolainy avy ny Israely rehetra.
malagasy