2 Samuel 18:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Ahimaza, zanak’i Zadoka: Aleo aho hihazakazaka hitondra teny mahafaly ho any amin’ny mpanjaka ny amin’ny nanomezan’NY TOMPO azy ny rariny ka nahafahany tamin’ny fahavalony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Akimaasa, zanak’i Sadôka: «Avelao kely aho hihazakazaka, hitondra ny vaovao any amin’ny mpanjaka, fa nomen’i Iaveh ny rariny izy, noafahany tamin’ny tanan’ny fahavalony.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy i Ahimahatsa zanakalahin’i Tsadôka: –Aoka hihazakazahako any amin’ny mpanjaka ny fitondrana ity vaovao mahafaly ny amin’ny nanomezan’ny TOMPO azy rariny ity ka nanafahany azy tamin’ny fahavalony.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Ahimaza, zanak'i Zadoka: Aoka aho hihazakazaka hitondra teny mahafaly ho any amin'ny mpanjaka ny amin'ny nanomezan'i Jehovah azy ny rariny ka nahafahany tamin'ny fahavalony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Ahimaza, zanak’i Zadoka: Aleo aho hihazakazaka hitondra teny mahafaly ho any amin’ny mpanjaka ny amin’ny nanomezan’NY TOMPO azy ny rariny ka nahafahany tamin’ny fahavalony.
malagasy
[Ny nandrenesan'i Davida ny nahafatesan'i Absaloma sy ny hamafin'ny alahelony azy] Dia hoy Ahimaza, zanak'i Zadoka: Aoka aho hihazakazaka hitondra teny mahafaly ho any amin'ny mpanjaka ny amin'ny nanomezan'i Jehovah azy ny rariny ka nahafahany tamin'ny fahavalony.