2 Samuel 18:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nampandeha ny olona i Davida, koa ny ampahatelony dia nofehezin’i Joaba, ny ampahatelony dia nofehezin’i Abisay, zanak’i Zeroia, rahalahin’i Joaba, ary ny ampahatelony sisa kosa dia nofehezin’Itahy gatita. Ary hoy ny mpanjaka tamin’ny vahoaka: Izaho koa dia tsy maintsy handeha hiaraka aminareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nalamin’i Davida ny vahoaka, ka ny ampahatelony, nataony fehin’i Jôaba, ny ampahatelony fehin’i Abiasia, zanak’i Sarvià, rahalahin’i Jôaba, ny ampahatelony fehin’i Etaia, Geteanina. Ary hoy ny mpanjaka tamin’ny vahoaka: «Izaho koa mba handeha hiaraka aminareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nasain’i Davida hiainga ny tafiny; ka ny ampahatelony nofehezin’i Jôaba, ny ampahatelony hafa nofehezin’i Abisay zanakalahin’i Tseroià sady rahalahin’i Jôaba, ary ny ampahatelo farany nofehezin’i Itàhy izay avy any Gata. Dia hoy ny mpanjaka tamin’ireto miaramila: «Izaho koa dia handeha hiaraka aminareo».
Malagasy Bible 1865
Ary Davida nampandeha ny olona, ka ny ampahatelony nofehezin'i Joaba, ary ny ampahatelony nofehezin'i Abisay, zanak'i Zeroia, rahalahin'i Joaba, ary ny ampahatelony kosa nofehezin'Itahy Gatita. Ary hoy ny mpanjaka tamin'ny vahoaka: Izaho koa dia handeha hiaraka aminareo tokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nampandeha ny olona i Davida, koa ny ampahatelony dia nofehezin’i Joaba, ny ampahatelony dia nofehezin’i Abisay, zanak’i Zeroia, rahalahin’i Joaba, ary ny ampahatelony sisa kosa dia nofehezin’Itahy gatita. Ary hoy ny mpanjaka tamin’ny vahoaka: Izaho koa dia tsy maintsy handeha hiaraka aminareo.
malagasy