2 Samuel 18:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa mbola niteny tamin’i Joaba ihany i Ahimaza, zanak’i Zadoka hoe: Na inona na inona hitranga, aoka ihany aho mba hiezaka koa hanaraka ilay Kosita. Fa hoy i Joaba: Ahoana no hiezahanao, anaka; fa na dia mandeha aza ianao dia tsy hisy teny mahafaly hahazoanao fitia tsinona?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mbola niteny tamin’i Jôaba anefa i Akimaasa, zanak’i Sadôka, nanao hoe: «Na ho inona na ho inona, avelao ihany aho mba hihazakazaka hanaraka ilay Kosita!» Fa hoy i Jôaba: «Ahoana ianao no te-hihazakazaka, anaka? Tsy hahita soa amin’ny fitondrana izany vaovao izany anie ianao!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy indray i Ahimahatsa zanakalahin’i Tsadôka tamin’i Jôaba: –Izay alehany any alehany, fa avelao aho hihazakazaka hanaraka ilay Kosita. Hoy kosa i Jôaba hoe: –Hihazakazaka ahoana, anaka? Tsy hitondra soa ho anao velively ny vaovao toy izany!
Malagasy Bible 1865
Fa Ahimaza, zanak'i Zadoka, dia mbola niteny tamin'i Joaba ihany nanao hoe: Ka nahoana aza, aoka ihany aho mba hiezaka koa hanaraka ilay Kosita. Fa hoy Joaba: Ahoana no hiezahanao, anaka; fa na dia mandeha aza ianao, tsy hisy teny mahafaly hahazoanao fitia tsinona?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa mbola niteny tamin’i Joaba ihany i Ahimaza, zanak’i Zadoka hoe: Na inona na inona hitranga, aoka ihany aho mba hiezaka koa hanaraka ilay Kosita. Fa hoy i Joaba: Ahoana no hiezahanao, anaka; fa na dia mandeha aza ianao dia tsy hisy teny mahafaly hahazoanao fitia tsinona?
malagasy