2 Samuel 18:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Na inona na inona hitranga, hoy izy, aoka ihany aho hiezaka. Dia hoy i Joaba taminy: Miezaha ary. Ary niezaka tamin’ny lalana eny amin’ny lemaka i Ahimaza ka nihoatra an’ilay Kosita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy ny navalin’i Akimaasa: «Na inona na inona hitranga dia hihazakazaka ihany aho.» Ka hoy i Jôaba taminy: «Mihazakazaha àry.» Dia nihazakazaka nihazo ny lalana amin’ny tany lemaka i Akimaasa, ka tafahoatra an’ilay Kosita.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa novalian’i Ahimahatsa hoe: –Tsy mampaninona izany, fa avelao ihany aho handeha. Ka hoy i Jôaba taminy: –Mandehana àry! Dia nihazakazaka nihazo ny lalan’ny lemak’i Jôrdàna i Ahimahatsa ka nisongona ilay Kosita.
Malagasy Bible 1865
Ka nahoana aza, hoy izy: Aoka ihany aho hiezaka. Dia hoy Joaba taminy: Miezaha ary. Ary dia niezaka tamin'ny lalana eny amin'ny lemaka Ahimaza ka nihoatra an'ilay Kosita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Na inona na inona hitranga, hoy izy, aoka ihany aho hiezaka. Dia hoy i Joaba taminy: Miezaha ary. Ary niezaka tamin’ny lalana eny amin’ny lemaka i Ahimaza ka nihoatra an’ilay Kosita.
malagasy
Ka nahoana aza, hoy izy: Aoka ihany aho hiezaka. Dia hoy Joaba taminy: Miezaha ary. Ary dia niezaka tamin'ny lalana eny amin'ny lemaka Ahimaza ka nihoatra an'ilay Kosita.