2 Samuel 18:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nipetraka teo anelanelan’ny vavahady roa i Davida; ary niakatra teo ambony vavahady teo amin’ny manda ny mpitily ka nanopy ny masony dia nahita fa indrỳ misy lehilahy iray mihazakazaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nipetraka teo anelanelan’ny vavahady roa i Davida. Ary niakatra teo ambonin’ny tafon’ny vavahady, teo ambonin’ny manda ny mpitily, ka nanopy ny masony, dia nahatazana, ka indro lehilahy anankiray mihazakazaka, ka izy irery ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay i Davida dia nipetraka teo anelanelan’ny varavaran-droa. Dia niakatra teo amin’ny marin-tampona ambony vavahadin’ny manda ny mpitily; raha niandrandra izy, dia nahatazana lehilahy iray mihazakazaka.
Malagasy Bible 1865
Ary Davida nipetraka teo anelanelan'ny vavahady roa; ary ny mpitily niakatra teo ambony vavahady teo amin'ny manda, ka nanopy ny masony, dia nahita, ka indry misy lehilahy iray mihazakazaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nipetraka teo anelanelan’ny vavahady roa i Davida; ary niakatra teo ambony vavahady teo amin’ny manda ny mpitily ka nanopy ny masony dia nahita fa indrỳ misy lehilahy iray mihazakazaka.
malagasy
Ary Davida nipetraka teo anelanelan'ny vavahady roa; ary ny mpitily niakatra teo ambony vavahady teo amin'ny manda, ka nanopy ny masony, dia nahita, ka indry misy lehilahy iray mihazakazaka.