2 Samuel 18:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy ny mpitily: Raha ny fahitako azy dia tahaka ny fihazakazak’i Ahimaza, zanak’i Zadoka, no fihazakazak’ilay aloha. Hoy ny mpanjaka: Lehilahy tsara fanahy iny, ka hitondra teny soa mahafaly no iaviany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny mpitily: «Hitako fa fihazakazak’i Akimaasa zanak’i Sadôka no fihazakazak’ity voalohany.» Ka hoy ny mpanjaka: «Lehilahy tsara fanahy iny, ka vaovao tsara no iaviany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny mpitily hoe: –Raha ny fomba fihazakazahany, dia fantatro ilay voalohany fa i Ahimahatsa zanakalahin’i Tsadôka. Dia hoy ny mpanjaka: –Lehilahy tsara fanahy iny, ka vaovao tsara no ahatongavany.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny mpitily: Raha toa ahy, dia tahaka ny fihazakazak'i Ahimaza, zanak'i Zadoka, no fihazakazak'iny aloha. Ary hoy ny mpanjaka: Lehilahy tsara fanahy iny, ka hitondra teny soa mahafaly no ihaviany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy ny mpitily: Raha ny fahitako azy dia tahaka ny fihazakazak’i Ahimaza, zanak’i Zadoka, no fihazakazak’ilay aloha. Hoy ny mpanjaka: Lehilahy tsara fanahy iny, ka hitondra teny soa mahafaly no iaviany.
malagasy