2 Samuel 18:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niantso i Ahimaza ka niteny tamin’ny mpanjaka hoe: Fiadanana! Sady niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny mpanjaka izy no niteny hoe: Isaorana anie NY TOMPO Andriamanitrao, izay efa nanolotra ilay olona nanainga tanana hikomy amin’ny mpanjaka tompoko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niantso mafy i Akimaasa ka nanao tamin’ny mpanjaka hoe: «Fandresena!» Izay vao niankohoka tamin’ny tany, teo anatrehan’ny mpanjaka izy, nanao hoe: «Hankalazaina anie i Iaveh Andriamanitrao, fa efa nafoiny ny olona nanainga tanana hikomy amin’ny mpanjaka tompoko.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary niantso mafy i Ahimahatsa ka nanao tamin’ny mpanjaka hoe: –Fiadanana! Niankohoka nitehi-tany izy teo anatrehan’ny mpanjaka sady nilaza hoe: –Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao fa efa natolony anao, ry andriamanjaka, ireo olona nanainga tanana hanohitra anao.
Malagasy Bible 1865
Ary Ahimaza niantso ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Fiadanana! sady niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay efa nanolotra ny olona nanainga tanana hikomy amin'ny mpanjaka tompoko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niantso i Ahimaza ka niteny tamin’ny mpanjaka hoe: Fiadanana! Sady niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny mpanjaka izy no niteny hoe: Isaorana anie NY TOMPO Andriamanitrao, izay efa nanolotra ilay olona nanainga tanana hikomy amin’ny mpanjaka tompoko.
malagasy