2 Samuel 18:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy ny mpanjaka: Tsara ihany va i Absaloma zatovo? Fa hoy i Ahimaza: Tamin’ny nanirahan’i Joaba ny mpanompon’ny mpanjaka sy izaho mpanomponao koa dia nandre tabataba be aho, nefa tsy fantatro izay antony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy ny mpanjaka: «Mba tsara tsy misy maninona va ny amin’ny zatovo, i Absalôma?» Ka hoy ny navalin’i Akimaasa: «Nahatazana vahoaka nitangorona aho, tamin’ny nanirahan’i Jôaba ny mpanompon’ny mpanjaka sy izaho mpanomponao koa, kanefa tsy mahalala aho na inona na inona izany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny mpanjaka: –Tsara ihany ve ny amin’i Absalôma zatovolahy izay? Fa hoy kosa i Ahimahatsa: –Raha naniraka ity mpanomponao ity sy ny tenako i Jôaba, dia saritadritaka be no hitako nefa tsy fantatro izay antony.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy ny mpanjaka: Tsara ihany va Absaloma zatovo? Fa hoy Ahimaza: Tamin'ny nanirahan'i Joaba ny mpanompon'ny mpanjaka sy izaho mpanomponao koa dia nandre tabataba be aho, nefa tsy fantatro izay antony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy ny mpanjaka: Tsara ihany va i Absaloma zatovo? Fa hoy i Ahimaza: Tamin’ny nanirahan’i Joaba ny mpanompon’ny mpanjaka sy izaho mpanomponao koa dia nandre tabataba be aho, nefa tsy fantatro izay antony.
malagasy