2 Samuel 18:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy ny vahoaka: Tsy avelanay handeha ianao! Fa raha mandositra izahay dia tsy hahoany; ary na matiny sasaka aza izahay dia tsy hahoany akory; fa ianao no tahaka ny iray alina aminay; koa tsara raha avy ao an-tanàna ianao no mamonjy anay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy ny vahoaka: «Aoka tsy handeha ianao, fa raha hampandosirina izahay raha izahay ihany dia tsy hahoany akory, na maty sasaka aza izahay, tsy ahoany akory; fa ianao kosa dia hoatra ny iray alina aminay, ka metimety kokoa raha avy atỳ an-tanàna ianao no handeha hamonjy anay.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy kosa ny miaramila hoe: –Tsy mahazo mandeha ianao. Satria raha mandositra izahay, dia tsy hisy fahavalo hiraharaha akory; ary na dia maty avokoa aza ny antsasakay, dia tsy hahoany. Fa ianao kosa dia toy ny iray alina eo aminay; koa tsaratsara kokoa raha avy atỳ an-tanàna ianao no mandefa famonjena ho anay.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy ny vahoaka: Tsy avelanay andeha ianao; fa raha mandositra izahay, dia tsy hahoany; ary na matiny sasaka aza izahay, dia tsy hahoany akory; fa ianao no hoatra ny iray alina aminay; koa tsara raha hamonjy anay avy tao an-tanàna ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy ny vahoaka: Tsy avelanay handeha ianao! Fa raha mandositra izahay dia tsy hahoany; ary na matiny sasaka aza izahay dia tsy hahoany akory; fa ianao no tahaka ny iray alina aminay; koa tsara raha avy ao an-tanàna ianao no mamonjy anay.
malagasy