2 Samuel 18:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia indro, avy ilay Kosita ka niteny hoe: Aoka ny mpanjaka tompoko hihaino teny mahafaly! Fa efa nanome anao ny rariny NY TOMPO ka nahafaka anao ankehitriny tamin’izay rehetra nitsangana hikomy aminao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia indro tonga koa ilay Kosita, ka nanao hoe: «Aoka ny mpanjaka tompoko hihaino zava-baovao mahafaly, fa nomen’i Iaveh anao androany ny rariny, ny amin’izay rehetra nitsangana hikomy aminao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary tonga tamin’izay ilay Kosita ka nanao hoe: –Manam-baovao tsara ho anao aho, ry andriamanjaka; fa ankehitriny ny TOMPO efa nanome rariny anao ka nanafaka anao tamin’ireo rehetra nitsangana hikomy aminao.
Malagasy Bible 1865
Ary, indro, avy ilay Kosita ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka tompoko hihaino teny mahafaly; fa Jehovah efa nanome anao ny rariny ka nahafaka anao ankehitriny tamin'izay rehetra nitsangana hikomy aminao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia indro, avy ilay Kosita ka niteny hoe: Aoka ny mpanjaka tompoko hihaino teny mahafaly! Fa efa nanome anao ny rariny NY TOMPO ka nahafaka anao ankehitriny tamin’izay rehetra nitsangana hikomy aminao.
malagasy
Ary, indro, avy ilay Kosita ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka tompoko hihaino teny mahafaly; fa Jehovah efa nanome anao ny rariny ka nahafaka anao ankehitriny tamin'izay rehetra nitsangana hikomy aminao.Ary hoy ny mpanjaka tamin'ilay Kosita: Tsara ihany va Absaloma zatovo? Fa hoy ilay Kosita: Aoka ny fahavalon'ny mpanjaka tompoko sy izay rehetra mitsangana hanisy ratsy anao ho tahaka iny zatovo iny.