2 Samuel 18:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy ny mpanjaka taminy: Izay sitrakareo ary no hataoko. Dia nitsangana teo anilan’ny vavahady ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra dia niainga hiady, isan-jato sy isan’arivo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary hoy ny navalin’ny mpanjaka azy ireo: «Izay sitrakareo no hataoko.» Dia nitsangana teo anilan’ny vavahady ny mpanjaka nandritra ny nivoahan’ny vahoaka voazara ho tsizatozato sy tsiarivoarivo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny mpanjaka taminy: –Izay sitrakareo ihany no hataoko. Dia nitsangana teo am-bavahady ny mpanjaka, raha nivoaka tsizatozato sy tsiarivoarivo ny tafiny manontolo.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Izay sitrakareo ary no hataoko. Dia nitsangana teo anilan'ny vavahady ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra nivoaka isan-jato sy isan'arivo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy ny mpanjaka taminy: Izay sitrakareo ary no hataoko. Dia nitsangana teo anilan’ny vavahady ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra dia niainga hiady, isan-jato sy isan’arivo.
malagasy
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Izay sitrakareo ary no hataoko. Dia nitsangana teo anilan'ny vavahady ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra nivoaka isan-jato sy isan'arivo.