2 Samuel 18:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandidy an’i Joaba sy Abisay ary Itahy ny mpanjaka hoe: Noho ny amiko dia mamindrà fo amin’i Absaloma zatovo! Ny olona rehetra koa dia nahare ny nandidian’ny mpanjaka ny mpifehy rehetra ny amin’i Absaloma.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no didy nomen’ny mpanjaka an’i Jôaba sy i Abisaia ary i Etaia: «Tsimbino ilay zatovo Absalôma noho ny amiko». Ren’ny vahoaka rehetra fa nomen’ny mpanjaka didy momba an’i Absalôma ny filohan’ny tafika rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandidy an’i Jôaba sy Abisay ary Itàhy ny mpanjaka hoe: –Noho ny amiko, dia aoka ianareo tsy hikasi-tanàna ny zatovolahy Absalôma. Ary ny miaramila rehetra dia samy nandre ny nanomezan’ny mpanjaka didy momba an’i Absalôma.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjaka nandidy an'i Joaba sy Abisay ary Itahy hoe: Noho ny amiko dia mamindrà fo amin'i Absaloma zatovo. Ary ny olona rehetra dia nahare ny nandidian'ny mpanjaka ny mpifehy rehetra ny amin'i Absaloma.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandidy an’i Joaba sy Abisay ary Itahy ny mpanjaka hoe: Noho ny amiko dia mamindrà fo amin’i Absaloma zatovo! Ny olona rehetra koa dia nahare ny nandidian’ny mpanjaka ny mpifehy rehetra ny amin’i Absaloma.
malagasy