2 Samuel 18:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nifanehatra tamin’ny mpanompon’i Davida i Absaloma. Nitaingina ampondra izy ary nandeha teo ambanin’ny rantsan-kazo mikirindro tamin’ny hazo terebinta ny ampondra. Voahazon’ny hazo terebinta ny lohan’i Absaloma ka nikiraviravy teo anelanelan’ny lanitra sy ny tany izy, satria lasa ny ampondra nitaingenany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sendra teo anoloan’ny mpanompon’i Davida i Absalôma. Nitaingina mole i Absalôma ary nitsofoka tao anatin’ny rantsan’ny terebinta mikirindro ny mole, dia voasingotry ny terebinta ny lohany, dia tafahantona teo anelanelan’ny lanitra sy ny tany izy, ary ny mole nitondra azy dia lasa nandroso.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nifanehatra tampoka tamin’ny miaramilan’i Davida i Absalôma raha iny nitaingina boriky iny izy. Nitsofoka tany an-tsefatsefaky ny rantsan’ny hazo terebinta lehibe ilay ampondra, ka voasaringotry ny terebinta ny lohan’i Absalôma; ary lasa nanohy dia ilay boriky, fa izy kosa nihantona teo anelanelan’ny lanitra sy ny tany.
Malagasy Bible 1865
Ary Absaloma nifanehatra tamin'ny mpanompon'i Davida. Ary nitaingina ampondra izy, ary ny ampondra nandeha teo ambanin'ny rantsan-kazo mikirindro tamin'ny hazo terebinta, ka voahazon'ny hazo terebinta ny lohan'i Absaloma, ka dia nikiraviravy teo anelanelan'ny lanitra sy ny tany izy; fa lasa ny ampondra nitaingenany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nifanehatra tamin’ny mpanompon’i Davida i Absaloma. Nitaingina ampondra izy ary nandeha teo ambanin’ny rantsan-kazo mikirindro tamin’ny hazo terebinta* ny ampondra. Voahazon’ny hazo terebinta ny lohan’i Absaloma ka nikiraviravy teo anelanelan’ny lanitra sy ny tany izy, satria lasa ny ampondra nitaingenany.
malagasy
Ary Absaloma nifanehatra tamin'ny mpanompon'i Davida. Ary nitaingina ampondra izy, ary ny ampondra nandeha teo ambanin'ny rantsan-kazo mikirindro tamin'ny hazo terebinta, ka voahazon'ny hazo terebinta ny lohan'i Absaloma, ka dia nikiraviravy teo anelanelan'ny lanitra sy ny tany izy; fa lasa ny ampondra nitaingenany.