2 Samuel 19:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niontana terỳ ny fon’ny mpanjaka ka niakatra nankao amin’ny efitrano teo ambony vavahady izy sady nitomany teny am-pandehanana no niteny hoe: Ry Absaloma, zanako, ry zanako! Ry Absaloma, zanako ô! Inay anie aho no maty nisolo anao. Ry Absaloma zanako, ry zanako ô!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tera-kovitra tamin’ny fientanam-pony ny mpanjaka, ka lasa niakatra tany an’efitrano, ambonin’ny vavahady, dia nitomany; sady nandeha izy no nitanisa hoe: «Ry Absalôma zanako! Ry zanako ô, ry zanako Absalôma ô! Inay anie aho maty nisolo anao! Ry Absalôma zanako, zanako ô!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niontam-po ny mpanjaka, ka lasa niakatra nankao amin’ny efitrano teo ambony vavahady mba hitomany. Hoy izy teny am-pandehanana: –Ry Absalôma zanako ô, ry zanako! Ry Absalôma zanako ô! Inay anie aho no maty nisolo anao! Ry Absalôma zanako ô, ry zanako!
Malagasy Bible 1865
Ary dia niontana terỳ ny fon'ny mpanjaka, ka niakatra nankeo amin'ny efi-trano teo ambony vavahady izy sady nitomany teny am-pandehanana ka nanao hoe: Ry Absaloma, zanako, zanako, ry Absaloma, zanako ô! Inay anie aho no maty nisolo anao, ry Absaloma zanako, zanako ô!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niontana terỳ ny fon’ny mpanjaka ka niakatra nankao amin’ny efitrano teo ambony vavahady izy sady nitomany teny am-pandehanana no niteny hoe: Ry Absaloma, zanako, ry zanako! Ry Absaloma, zanako ô! Inay anie aho no maty nisolo anao. Ry Absaloma zanako, ry zanako ô!
malagasy