2 Samuel 19:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia mifanditra ny vahoaka rehetra tamin’ny fokon’ny Israely hoe: Ny mpanjaka no namonjy antsika tamin’ny tanan’ny fahavalontsika, indrindra fa tamin’ny tanan’ny Filistina; nefa nandositra niala tamin’ny tany izy ankehitriny noho ny amin’i Absaloma.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Samy niaiky diso ny vahoaka rehetra, amin’ny fokon’i Israely rehetra nanao hoe: «Nanafaka antsika tamin’ny tanan’ny fahavalontsika ny mpanjaka, izy no namonjy antsika tamin’ny tanan’ny Filistinina, fa ankehitriny hany heriny nandositra niala tamin’ny tany teo anatrehan’i Absalôma.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy ady hevitra nafana tany amin’ny foko israelita rehetra ka nifampilazana hoe: «Namonjy antsika tamin’ny tanan’ny fahavalontsika ny mpanjaka, izy no nanafaka antsika teo an-tanan’ny Filistinina; ary ankehitriny, noho ny amin’i Absalôma, dia voatery nandositra ny taniny izy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny vahoaka rehetra tamin'ny firenen'Isiraely nifanditra hoe: Ny mpanjaka no namonjy antsika tamin'ny tanan'ny fahavalontsika, indrindra fa tamin'ny tanan'ny Filistina; nefa ankehitriny dia efa nandositra niala tamin'ny tany izy noho ny amin'i Absaloma.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia mifanditra ny vahoaka rehetra tamin’ny fokon’ny Israely hoe: Ny mpanjaka no namonjy antsika tamin’ny tanan’ny fahavalontsika, indrindra fa tamin’ny tanan’ny Filistina; nefa nandositra niala tamin’ny tany izy ankehitriny noho ny amin’i Absaloma.
malagasy