2 Samuel 19:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandefa iraka tany amin’i Zadoka sy i Abiatara mpisorona i Davida mpanjaka hiteny hoe: Lazao amin’ny loholon’ny Joda hoe: Nahoana no dia ianareo indray no ho farany amin’ny fampodiana ny mpanjaka ho any an-tranony? Satria ny tenin’ny Israely rehetra dia efa tonga tao amin’ny mpanjaka tao an-tranony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Naniraka hilaza amin’i Sadôka sy i Abiatara mpisorona i Davida nanao hoe: «Mitenena ianareo amin’ny loholon’i Jodà, ka lazao aminy hoe: Nahoana no dia ianareo indray no ho farany amin’ny fampodiana ny mpanjaka ho any an-tranony? Fa efa tonga hatrany amin’ny mpanjaka, any aminy, ny teny voabitsibitsika eran’i Israely rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa i Davida kosa naniraka olona hilaza amin’i Tsadôka sy i Abiatara mpisorona hoe: «Mitenena amin’ny loholon ’i Joda ianareo ka manontania azy hoe: ‹Nahoana no ianareo indray no ho farany amin’ny fampodiana ny mpanjaka any an-tranony, nefa izay nolazain’ireo Israelita hafa rehetra dia efa tonga any amin’ny mpanjaka!
Malagasy Bible 1865
Ary Davida mpanjaka naniraka tany amin'i Zadoka sy Abiatara mpisorona ka nanao hoe: Ataovy amin'ny loholon'ny Joda hoe: Nahoana no dia ianareo indray no ho farany amin'ny fampodiana ny mpanjaka ho any an-tranony? fa ny tenin'ny Isiraely rehetra efa tonga tao amin'ny mpanjaka tao an-tranony
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandefa iraka tany amin’i Zadoka sy i Abiatara mpisorona i Davida mpanjaka hiteny hoe: Lazao amin’ny loholon’ny Joda* hoe: Nahoana no dia ianareo indray no ho farany amin’ny fampodiana ny mpanjaka ho any an-tranony? Satria ny tenin’ny Israely rehetra dia efa tonga tao amin’ny mpanjaka tao an-tranony.
malagasy
Ary Davida mpanjaka naniraka tany amin'i Zadoka sy Abiatara mpisorona ka nanao hoe: Ataovy amin'ny loholon'ny Joda hoe: Nahoana no dia ianareo indray no ho farany amin'ny fampodiana ny mpanjaka ho any an-tranony? fa ny tenin'ny Isiraely rehetra efa tonga tao amin'ny mpanjaka tao an-tranony