2 Samuel 19:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nampitodika ny fon’ny lehilahy rehetra amin’ny Joda ho toy ny olona iray izy, koa nandefa iraka tany amin’ny mpanjaka hiteny hoe: Modia ianao sy ny mpanomponao rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Voalefak’i Davida tamin’izany ny fon’ny lehilahy rehetra amin’i Jodà, toy ny fon’ny olona iray monja, ka naniraka nilaza tamin’ny mpanjaka izy ireo hoe: «Modia ianao sy ny mpanomponao rehetra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandresy lahatra ny lehilahin’i Joda rehetra ny tenin’i Davida, ka dia toy ny olona iray ihany izy rehetra no naniraka hilaza amin’ny mpanjaka hoe: «Modia re ianao sy ny mpanomponao rehetra!»
Malagasy Bible 1865
Ary dia nampitodika ny fon'ny lehilahy rehetra amin'ny Joda ho toy ny olona iray izy; ka dia naniraka tany amin'ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Modia ianao sy ny mpanomponao rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nampitodika ny fon’ny lehilahy rehetra amin’ny Joda ho toy ny olona iray izy, koa nandefa iraka tany amin’ny mpanjaka hiteny hoe: Modia ianao sy ny mpanomponao rehetra.
malagasy
Ary dia nampitodika ny fon'ny lehilahy rehetra amin'ny Joda ho toy ny olona iray izy; ka dia naniraka tany amin'ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Modia ianao sy ny mpanomponao rehetra.