2 Samuel 19:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy izy tamin’ny mpanjaka: Aoka tsy hisain’ny tompoko heloka aho, ary aoka tsy hotsarovanao ny ratsy nataon’ny mpanomponao tamin’ny andro nivoahan’ny mpanjaka tompoko niala tany Jerosalema, ary aoka tsy hoeritreretin’ny mpanjaka izany;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Aza tanan’ny tompoko ho meloka aho ary aza tsarovanao ny faniratsirana nataon’ny mpanomponao, fony nivoaka avy tao Jerosalema ny mpanjaka tompoko, ka mba hieritreritra izany ianao, ry mpanjaka ô!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sady niteny taminy hoe: –Aza isainao heloka aho, ry andriamanjaka. Aza tsaroanao ny fahadisoako tamin’ny andro nandaozanao an’i Jerosalema. Aoka tsy hataonao am-po izany!
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy tamin'ny mpanjaka: Aoka tsy hisain'ny tompoko heloka aho, ary aoka tsy hotsarovanao ny ratsy nataon'ny mpanomponao tamin'ny andro nivoahan'ny mpanjaka tompoko niala tany Jerosalema, ary aoka tsy ho eritreretin'ny mpanjaka izany;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy izy tamin’ny mpanjaka: Aoka tsy hisain’ny tompoko heloka aho, ary aoka tsy hotsarovanao ny ratsy nataon’ny mpanomponao tamin’ny andro nivoahan’ny mpanjaka tompoko niala tany Jerosalema, ary aoka tsy hoeritreretin’ny mpanjaka izany;
malagasy