2 Samuel 19:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy anefa i Abisay, zanak’i Zeroia: Tsy hovonoina noho izany va i Simey, satria efa nanozona ny voahosotry NY TOMPO?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa niteny kosa i Abisaia zanak’i Sarvià ka nanao hoe: «Tsy izany velively fa moa tsy vao mainka tokony hovonoina va i Semeià noho izy nanozona ny voahosotr’i Iaveh!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa namaly i Abisay, zanakalahin’i Tseroià ka nanao hoe: –Maivana raha izany no antony tsy hahafaty an’i Simehỳ, satria efa nanozona ny mpanjaka voahosotry ny TOMPO izy.
Malagasy Bible 1865
Fa namaly Abisay, zanak'i Zeroia, ka nanao hoe: Tsy hovonoina va Simey noho izany, satria efa nanozona ny voahosotr'i Jehovah izy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy anefa i Abisay, zanak’i Zeroia: Tsy hovonoina noho izany va i Simey, satria efa nanozona ny voahosotry NY TOMPO?
malagasy
Fa namaly Abisay, zanak'i Zeroia, ka nanao hoe: Tsy hovonoina va Simey noho izany, satria efa nanozona ny voahosotr'i Jehovah izy?